4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Amin'ny anaran'ny ray - Mahaleo

Amin'ny anaran'ny ray sy ny zanaka sy ny fanahy masina:
Amena! amena! amena!

Aleonay misotro toaka gasy
Toy izay hamaky baiboly, hamadika taratasy.
Aleonay misotro toaka gasy,
Toy izay hamaky baiboly, hamadiky taratasy
Dia hanao hoe:

Amin'ny anaran'ny ray sy ny zanaka sy ny fanahy masina:
Amena! amena! amena!

Maro mantsy ireo mpiha-tsara velatsihy,
Hampiseho lamaody no tena aton-dia.
Maro mantsy ireo mpiha-tsra velatsihy
Ny hampiseho lamaody no tena aton-dia
Dia mba mody hoe:

Amin'ny anaran'ny ray sy ny zanaka sy ny fanahy masina:
Amena! amena! amena!

Aleonay vavaky tena malagasy
Toy izay irony vavaka noferina avy any an-dafy.
Aleonay vavaka tena malagasy
Toy izay ny vavaky ny vazaha be taim-parasy
Dia manao hoe:

Au nom du pera, et du masera, et du mopera, du sefo frera:
Amena! amena! amena!
Au nom du pera, et du masera, et du mamera, et du mopera:
Amena! amena! amena!

Partager amin'ny anaran'ny ray

Commenter amin'ny anaran'ny ray

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Mahaleo

Suite