4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Andriamanitra fitiavana - Mahaleo

Ianao ilay nahilika
Natao ankilabao
Nasiana tsipika
Tsy hihoaranao

Toy ireny kamboty
Tsy misy mpiahy
Mba te hiangoty
Nefa tsy reny tsy ray

   Ao Izy e! Hanome ilay anjara fitia
   Izy anie, no mandre ny antson'ireo very dia
   Ao Izy e! Hanome ilay anjara fitia
   Izy anie no hany mandre ny antso manginan'ireo izay nania

Ianao ilay nibaboka
Fa nanao ny ratsy
Vao mainka nadaboka
Tsy narahina vatsy

Toy ny resy nifona
Fa lavo antany
Nodiana tsy henoina
Fa darofana ihany

   Ao Izy e! Hanome ilay anjara fitia
   Izy anie, no mandre ny antson'ireo very dia
   Ao Izy e! Hanome ilay anjara fitia
   Izy anie no hany mandre ny antso manginan'ireo izay nania

Ianao diso famindra
Solafaka
Ireo namanao iindrindra
No nanavakavaka

Fa ny feonao fahiny
Nolazaina hoe tsy ratsy
Nefa dia nomena tsiny
Mba hisy loto hanasy

   Ao Izy e! Hanome ilay anjara fitia
   Izy anie, no mandre ny antson'ireo very dia
   Ao Izy e! Hanome ilay anjara fitia
   Izy anie no hany mandre ny antso manginan'ireo izay nania

Partager andriamanitra fitiavana

Commenter andriamanitra fitiavana

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Mahaleo

Suite