4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Aza manadino - Mahaleo

Aza manadino anay
'Nareo izay any ambony any
Asa raha misy mandray
Izany vavakay izany ?

Mitodiha vetivety
Mba henoy ny vavakay
Ny eny ambony eny efa mety
Ny aty ambany aty mba androtsay

Ianareo no nirariana
Mba hanavotra ny tany
Mangeja mafy ny fahoriana
Tsy resinay aty ambany.

Ny antsonay misesisesy
Midina, ampio izahay
Ianareo mety handresy
Raha tena eo anilanay
Isika mety handresy
Rehefa niaraka natrizay.

Mikapoka nahamay
Ny fiainana izay manery
Ny valim-bavaka azonay
Dia ny hoe : Miareta fery

Aza mba manadino anay
Nareo izay any ambony any
Aza mba manary anay
Raha samy mbola eto an-tany
Aza mba manary any
Raha samy olona ihany.

Partager aza manadino

Commenter aza manadino

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Mahaleo

Suite