4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Aza misara-mianakavy - Mahaleo

Rehefa akaiky ny maraina
Ho ireo taraina
Ilainy zanak'olombelona
Hiaraka hifamelona
Na iray lohasaha
Tsy ilaina didy jadona
Ny hirantsika roa lahy
Hadio toa rano an'ala


Aza misara-mianakavy
Sy mitokatoka-monina
Ny herisetra aleo ho avy
Fa hiparitaka anaty haizina

Masoandro aman-bolana
Hamono ity ady
Velon-kira ireo vorona
Fa niteny rahon'ady
Rindrina izay mamefy
Hirodana avy hatrany
Ny fahavalo dia resy
Fandresena eran-tany

Aza misara-mianakavy
Sy mitokatoka-monina
Ny herisetra aleo ho avy
Fa hiparitaka anaty haizina

Fanjakana loham-boto
Tsy mba mety ho ela velona
Mbola hadio ireo maloto
Ho henatrin'ny olombelona
Mbola ho avy ilay maraina
Ho foana ireo taraina
Hirain'ny zanak'olombelona
Hiaraka hifamelona

Aza misara-mianakavy
Sy mitokatoka-monina
Ny herisetra aleo ho avy
Fa hiparitaka anaty haizina

Partager aza misara-mianakavy

Commenter aza misara-mianakavy

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Mahaleo

Suite