4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Bemolanga - Mahaleo

-----
Ny taona ity miherina
Asa izay mba hoentiny
Ahiako mbola hiverina
Toy ny tamin’ny taona lasa ny zavatra raiketiny

Fa ny fanantenana
Efa mihena, mitsilopy
Fa tsy misy fahatsarana
Izay mety ho fiovana efa zary nofinofy

             Ireo voa nafafy
             Taona maro lasa izany
             Ho an’ny zanaka aman-jafy
             Mbola tsy vokatra ihany

             Efa taona firifiry
             No nantenaina hitondra soa
             Ahi-dratsy no naniry
             Ny tany maina avokoa

-----
Mitombo ny fara-mandimby
Ny tany koa miha tery
Ny taona faly mifandimby
Mody marenina, minia tsy mijery

Manahy aho fa tsy hisy hiova
Ny omaly tsy hiova volo
Toy ny fanaka eny an-dRova
Ts’isy nanombinana fa efa zary bobongolo

             Rahoviana no hitranga
             Asa angamba atsy ho atsy
             No ho tonga i Bemolanga
             Dia isika tsy ho lany vatsy

             Rahoviana no hitranga (...) Dia isika tsy ho lany vatsy

MAHALEO

Partager bemolanga

Commenter bemolanga

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Mahaleo

Suite