4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Dia lasa indray ny reninao - Mahaleo

Dia lasa indray ity reninao
Milaza fa tena handao
Mikasa ny tsy hiverina intsony
Fa tofoka hono ny fony
Ouh ...

Tsy tantiny intsony ny fahantrana
Ka lasa izy tsy tamana
Mitady toeran-kafa vaovao
Mba tsaratsara noho izao
Ouh ...

Efa nataoko izay azo atao
Hamalifaliana ny reninao
Saingy toa tsy tsapany izay vita rehetra
Ny sitrapony tsy manam-petra

Isika mianaka no tavela irery
Voatery hifampijerijery
Ary koa hifampikarakara
Ka aoka hifanaraka tsara
Ouh ...

Koa raiso ho namanao
Fa raha mbola misy ny azo atao
Tsy ho diso anjara mihitsy ianao
Raha misy hery ao anatiko ao
Ouh ...

Koa matokia izany menaky ny aiko
Ny anjara adidiko tsy maintsy vitaiko
Koa matokia izany menaky ny aiko
Ny anjara adidiko tsy maintsy vitaiko
Ouh ...

Fomban-javatra ihany izany
Ka aza atao mampitomany
Ny fo anie mety hisendaotra
Noho ny fahoriana tafahoatra
Ouh ...

Nefa ny tany mihodina hatrany
Mifandimby ny mangidy sy ny mamy
Nefa aoka isika samy hino
Fa ny reninao tsy manadino
Ouh ...

Varavarana no avelao hivoha
Toa izany koa re ny fo
Miandry ny andro iverenany indray
Ho tafahoana, ho tafaray
Ouh ...

Koa matokia izany menaky ny aiko
Ny andro iverenany no mbola antenaiko
Koa matokia izany menaky ny aiko
Ny andro iverenany no mbola antenaiko
Ouh ...

Partager dia lasa indray ny reninao

Commenter dia lasa indray ny reninao

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Mahaleo

Suite