4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ditra - Mahaleo

Areheto ny jiro ny akanjonao ampidiro
Aoka izay ny safosafo , ndrao dia vidina lafo
Satriko ihany tsy hidina ety an-tany
Saingy toa tsy mandry ny saina
Ka aza tsiny raha malaina
Aoka hifarana eo ndrao tsy tandriko izay mety hiseho
Aoka izay ny sangy mahery ' sao mamery fa...

Aleo ianao mody ndrao manody izao ditra izao
Fitia haitraitra no manaitra hadinoy sy fafao
Aleo ianao mody ndrao manody izao ditra izao
Fitia zary nofo mety miofo ny ahy sy ny anao

Toa tsy ho tantiko raha izao no ataom-badiko
Oriory tsy ampiampy ka eny an-kafa no miantsampy
Toa azoko tsindry mandry ilay vadinao sasa-miandry
Reraky ny asa valalanina ka mba manimanina
Ireo zanakao minenineny
Toy ireny kamboty ireny
Miandry anao hampisotro sy hitrotrotrotro marina tsy...

Aleo ianao mody ndrao manody izao ditra izao
Anao ny safidy, ny adidy sahano ny anao
Aleo ianao mody ndrao manody izao ditra izao
Vonjeo fa aza avela hiandry ela ny ankaninao

Eny mety mankalao ny ao an-tokantrano ao
Saingy henatra hifanankonana ny ao ankohonana
Aza maniry vorona an-danitra
Izay fetsy sy maranitra
F'efa tsara basy an-tanana hajao izay hananana
Izaho akory tsy mandà na hoe miaingitraingitra
Saingy raha hilangalanga hamenoanao banga.

Marina tsy …

Aleo ianao mody ndrao manody izao ditra izao
Fitia tsy azo toky rehefa voky dia haroranao
Aleo ianao mody ndrao manody izao ditra izao
Fitia raha misy patsa mety handatsa
KOA LASA IANAO

Partager ditra

Commenter ditra

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Mahaleo

Suite