4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Eva - Mahaleo

Izahay izao no aretina ilaina
Poizina mampody aina
Tonga de azo ampiasaina
Mivoha mandra-maraina
Eva an-tsahan'i Edena
Ny vatanay no paoma azo omena
Manana namana menarana
Azo anaovana izay rehetra norarana

Raha toa ianao mahatsiaro ho Adama
Mandrosoa, mihinAna mandrama
F'izay tsy tia aleo hirediredy
Fa ts'isy bedy

Izahay izao efa noratraina
Nofy izay hitaintaina
Na reraka aza, na koa savolaina
Nofy izay hitaraina

Ka na zovy hibedabeda
Ny aty vonona hampiredareda
Misy ory, oriory safosafo
Ny aty vonona handrehatr'afo

Tsy mihomehy izay mety ho kilema
Na manavaka noho ny harena
F'izay mitady de ho voaray
Po tahak'izay

Izahay izao toy ny hotely
Milahatra ianao de mba miandry kely
Fa samy hahazo ny anjarany

Na tokan-tena na efa manam-bady
Na antitra na mbola tomady
Na ny efa zatra na ny tsy mbola mahay
F'izahay tsy mila antsojay
Satria izay no asanay

Rehefa voky avy nanapatra
Dia lasa mandao ny latabatra
F'izahay mbola voatery hamafamafa
Hihinanana, hidiran'ny hafa

Toy ny vary mitsangana
Ny vidiny tsy mba midangana
Nefa toa mampilendalenda
Mahatonga rora an-tenda

Ho anay tsy fahafinaretana
Asa ka de hiharetana
Mpanome fa tsy mba mandray

Tsy mandA izay mitady
Na antitra na mbola tomady
Na ny efa zatra, na ny tsy mbola mahay
F'izahay tsy mila antsojay
Satria io no asanay

Marina fa tsy asa modely
Nefa iny isy indro kely
Asa tsy ataotao foana
Na dia tsy mila diplaoma

Fa asa tsy vita moramora
Ka aoka isika tsy hifanakora
Fa asa toy ny asa rehetra
Ka aoka isika tsy hifampitsetra

Ny vatanay efa torotoro
Indraindray tsy hila hahajoro
Nefa adino ny hirifiry
Mbola mikiry

Partager eva

Commenter eva

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Mahaleo

Suite