4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Fahandriapahalemana - Mahaleo

Rahoviana indray moa
No hifarana tokoa
Rahoviana indray moa?
No ho tapitra tokoa
Ity ady tsy misy fiafarany
Mbola mampiady ireo fatra-pitana
Ny fandriampahalemana

Rahoviana indray moa ?
No ho foana tokoa
Rahoviana indray moa
No ho levona tokoa
Ity fijaliana eto an-tany
Mampikoriana rà sy tomany
Eny indrisy izany no mbola misy

Inona indray no ratsy sy matroka tokoa
Ity lokon-danitra rehefa tohina ny fo
Rehefa mahatsiaro ireo namana
Fantatry ny maro fa voasakana
Ho amin'ny fahafatesana
Iriko fatratra mba tsy ho fantatra
Ity hery izay manosika sy manery
Ny fontsika tsy hamindra fo
Ny tanantsika tsy hijanona hamono
Eny indrisy izany no mbola misy

Rahoviana indray moa
No hifarana tokoa
Rahoviana indray moa
No ho tapitra tokoa
Ity ady tsy misy fiafarany
Mbola mampiady ireo fatra-pitana
Ny fandriampahalemana

Partager fahandriapahalemana

Commenter fahandriapahalemana

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Mahaleo

Suite