4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Farakely - Mahaleo

Tonga aho dia nanoroka ny takolakao
Nefa ianao toa tsy mba nangoraka ahy
Angamba kosa efa lao

Mba hitanao tokoa va re
Ireto masoko mitoloko o ! o ! o !
Mitady fitiavana be dia be
Mba hampitony ny foko

Nangarika fotsiny ianao
Ka nanao jado-tongotra
Malama anie ny lalana ho diavinao
Ka sao ianao ho potraka

o ! o ! o !
Dia handao ahy tokoa ve ianao
Ry Farakely o ! o ! !
Fo maratra anie no sisa navelanao
o ! o ! o !

Nefa ianao sao mihevitra
Fa izaho hanaraka anao
Ry Farakely mahalasa eritreritra
Zory ny lalanao o ! o! o!
Ry Farakely mahalasa eritreritra
Zory ny lalanao o ! o! o !

Partager farakely

Commenter farakely

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Mahaleo

Suite