4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Hiakatra sa hidina - Mahaleo

Efa ela isika no niara-dia
nefa raha sendra nisy nikodia
navela nitsipika ho azy tery
Efa ela isika no niara-dalana
sendra lalana feno sampanana
dia adino ve ny dina ikambanana

Manahirana ery
ny mitady ny lalan-kombana
ny mitady zay misy hazavana
Hiankavanana sa hiankavia
no hahitana ny lalan-kivoahana
no hahitana zay mety iarahana
Hiara-hiakatra sa hiara-hidina

Mba mahatokana ianao ry sakaiza
tena marina tena marina
mba mahatokana ianao ry sakaiza
tsy matahotra, tsy matahotra

Raha irery mandeha miankavanana
sendra hantsana tsisy hanolo-tanana
Raha irery mandeha miankavia
tsy misy mpijery raha toa mikodia
Tsy milamina akory ny tany
dia ianao mahasahy mandeha irery

Manahirana ery
ny mitady ny lalan-kombana
ny mitady izay misy hazavana
Hiakavanana sa hiankavia
no hahitana ny lalan-kivoahana
no hahitana izay mety hiarahana
Hiara-hihemotra sa hiara-handroso
Hiara-hidola sa hisosososo

Partager hiakatra sa hidina

Commenter hiakatra sa hidina

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Mahaleo

Suite