4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Hiaraka isika - Mahaleo

Hiaraka isika
Na tomany na sariaka
Hiara-hizaka ny mafy
Efa vonon-kiafy
Raha sendra mandalo
Ilay rivom-pandrava
Dia hiara-hikalo
Fa io mbola hisava
Raha mahery vaika
Ny sangin' ny tany
Aoka tsy hiraika
F'efa fombany izany

Hiaraka isika
Na tomany na sariaka
Hiara-hizaka ny mafy
Efa vonon-kiafy

Ireo minia
Manao ankaso
Mandrava fitia
Hikimpio maso
Ireo izay mahatsiaro
Ho mahavita tena
Ka miala ny maro
Hodio tsy jerena
Ireo efa zatra
Mivarotra lova
Ka namela ratra
Hivavao mba hiova

Raha sendra mandalo
Ilay rivo-nandrava
Dia hiaraka hikalo
Fa io mbola hisava

Partager hiaraka isika

Commenter hiaraka isika

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Mahaleo

Suite