4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ho fanafody - Mahaleo

Toa vorondreo mitoreo aho
Ny miantso anao no saotra e !
Ny ako foana no mamaly ahy
Toa volan-kakafotra e

Diso tia anao foana aho
Jamba ny fitia
Malahelo anao foana aho
Toa lasa aretina izy ity

Ho fanafodin’izany
Mila midina eto an-tany
Izany saiko izany
Fa variana loatra any aminao any

Ny saiko tonga eto an-tany ihany
Izay ilay nantenaina
Ny foko tsy manaiky izany
Izy koa hono manan-tsaina

Ny saina dia manambara
Misy fetrany ny fitia
Ny fo koa sahy mamaly tsara
Tsy azo ferana izy ity

HO fanafodin’izany,
Ny midina eto an-tany ihany
Fampiarahana avy hatrany
Ny fo sy saina ho iray ihany

Partager ho fanafody

Commenter ho fanafody

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Mahaleo

Suite