4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ianao ilay tsy manan-tsahala - Mahaleo

ianao ilay tsy manan-tsahala
ilay nisafidy hizara ny tiako
ianao ihany no mahalala
ireo ahiahy sy ireo faniriako.
   ianao eo anilako hatrany
   nizara ireo tsiky namafa tomany
   ianao no nanampy nampizaka
   nanampy ahy hizaka ny mafy tsy zaka

   ianao eo anilako hatrany
   nizara ireo tsiky namafa tomany
   ianao no nanampy nampizaka
   nanampy ahy hizaka ny mafy tsy zaka

ianao ilay tsy manan-tsahala
ilay nisafidy hizara ny ho aviko
ianao no hany tokako malala
ilay mandra-maty hany hotiaviko
   ianao eo anilako eo foana
   tsy, tsy misy hoe nahoana
   ianao tsy mba be fisehosehoana
   nefa tratra antso rehefa antsoina

Partager ianao ilay tsy manan-tsahala

Commenter ianao ilay tsy manan-tsahala

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Mahaleo

Suite