4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ity foko mbola tia - Mahaleo

Ankizy toa very dia
Sendra nilaozan’ny tiana
Ity foko mbola tia
Nitomany sy ory mangina

Tsy misy saro-dresena
Toy ny fahatsiarovana
Ny tarehiko mando sy lena
No marik’izany rahavana

Maloka tampoka teo
Ny lanitra manga fahiny
Rahona no indro eo
Manakona iny fitiavako iny

Ny volana …an-trano
Tsy nety nanazava intsony
Tsy ririnina tsy lohataona
Fa maizina ny lanitra ambony

Baliaka ve ny masoandro
Any aminao lavitra any
Tsy alina tsy atoandro
Fa ny aty maizim-pito ihany

Ny volana …an-trano
Tsy nety nanazava intsony
Tsy ririnina tsy lohataona
Fa maizina ny lanitra ambony

Partager ity foko mbola tia

Commenter ity foko mbola tia

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Mahaleo

Suite