4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Mama lenina - Mahaleo

Mivaro-boanjo eny amoron-dalana
I mama Lenina ô
Manao zay hamelomana ny zanany (2)

Mama Lenina ô, mama Lenina an !
Handeha ho aia ho aho ianao an !(2)

Be dimbaka hono e, ny tanananay an ! (2)
Feno bandikely ny elakelan-trano (2)
Nahoana ary izany an ?
Fombany ihany io ho aho (2)

Zanak’i mama Lenina aho lehiretsy a (2)
Zanany faralahy an !
Zanak’i mama Lenina lehiretsy an ! (2)
Zanany fahasivy an !

Mama Lenina ô, mama Lenina an !
Nankaiza ilay dadako,
dadako nanao ahy an

Nanontaniko an’i mama Lenina
lehiretsy tsy mety milaza izy
ho aho, tsy ary mety milaza
mahitsiny an ! ! !

nahoana ary izany an ?
nifendronfendro izy ho aho (2)

Naka ny volan’i mama Lenina
lehiretsy tao ambany ondany aho an
volany dimanjato sy arivo an (2)

Siriny tao aho ho'a
Ka siriny ho'a (2)

Tratran’ilay bodegany aho letsy e,
sura radada, tratran’ilay bodegany aho letsy lerony an

Tonga ao am-pigadrana
aho ho aho vao tonga saina e
mahatsiarotsiaro (2) an’i mama Lenina (2)

Mama Lenina an ,
Nankaia ho aho ianao an
Mama Lenina an (2)
Vangivangio fa
mangina ny zanakao lahy an
Mama Lenina ô (2)
tsisy mpanati-bary aho
hatramin’ny omaly an !

Tonga tao am-pigadrana aho ho aho
vao tonga saina e !
fantatro tao ilay dadako nanao ahy an

Mama Lenina ô (2)
avia ho aho ianao an ! (2)

Zanak’ilay bodegany aho letsy e,
sura aho radada, zanak’ilay bodegany aho
letsy lerony an (2)

Partager mama lenina

Commenter mama lenina

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Mahaleo

Suite