4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Manao azafady - Mahaleo

Mba azafady kely tompoko ô !
Fa loza ity tantara a !
Samia ianareo anio
Mba hiara-hihaino tsara ô !
Tonga eto Tsarahonenana,
Mitondra hira vaovao ô !
Samia ianareo anio
Mba hiara-hihaino tsara ô !

Manao azafady amin'ny ray aman-dreny
Hatramin'ny taona lasa ka hatramin'izao
Fa mbola mitohy ihany ny amin'ity !
Eny ô, eny a, eny ô ! (bis)

Ianareo ve hijanona sa hiaraka aminay a ? (bis)
Karaborosy re no tônabil handehananay a ! (bis)
Miaka-piakarana re izy, mamindra vitesy ô !
Midim-pidinana re izy, manitsaka freins a !
Rehefa mijanona re izy, vitesy point mort a !
Fiara van be, niméro TG, sady mahery mandeha !

Manao azafady amin'ny ray aman-dreny
Hatramin'ny taona lasa ka hatramin'izao
Fa mbola mitohy ihany ny amin'ity !
Eny ô, eny a, eny ô ! (bis)

Ikalafanja, mijanona tsy miaraka aminay an ! (bis)
Karaborosy re no tônabil handehananay a ! (bis)
Miaka-piakarana re izy, mamindra vitesy ô !
Midim-pidinana re izy, manitsaka freins a !
Rehefa mijanona re izy, vitesy point mort a !
Zahay tsy mila an'i Rafanja
Sipa kely, tsy mahay bà kely e !

Manao azafady an-dRafanjamalala
Hatramin'ny taona lasa ka hatramin'izao
Fa vita hatreo re ny amin'ity
Eny ô, eny a, eny ô ! (bis)

Mba azafady kely tompoko ô !
Fa vita ny tantara a !
Samia ianareo anio
Mba hiara-hihaino tsara ô !
Tonga eto Tsarahonenana,
Nitondra hira vaovao ô !
Samia ianareo anio
Mba hiara-hihaino tsara ô !

Manao azafady amin'ny ray aman-dreny
Hatramin'ny taona lasa ka hatramin'izao
Fa vita hatreo re ny amin'ity
Eny ô, eny a, eny ô ! (bis)

Partager manao azafady

Commenter manao azafady

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Mahaleo

Suite