4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Mandongilongy - Mahaleo

Mandongilongy
Tsy mety hisinda
Zary midongy
Sy mivindavinda
Ireo maraina sarak'olon-tiana

Toa raho-mitatao
Manamaloka taratra
Ora-mitraho
Mihombo oram-baratra
Ny toetry ny andro ao am-po mangina

             Valio anie aho (2)
             Raha manina ianao indraindray
             Valio anie aho (2)
             Sa efa sondriana ka tsy mahatsiahy

Ny voary manerana
Manda ny hitraka
Toa miantso fitserana
Fa mila tsy ho zaka
Ireo andro hahatsiarovana

Tsy tiana ho antsoina
Na sandry hialofana
Fa fo sendra voina
Tsy hay hirakofana
Ka ny fanahy no zary torovana

             Valio anie aho (2)
             Raha manina ianao indraindray
             Valio anie aho (2)
             Sa efa sondriana ka tsy mahatsiahy

Manangana avana
Ny lanitra manga
Mihira fitiavana
Fa manangasanga
Any ho any ilay olon-tiana

Ny voaary mifoha
Tsy toy ny omaly
Fa tonga tokoa
Ilay mpamalifaly
Ireo voronkely mihira fihobiana

             Fa tonga ianao (2)
             Tsy niova f'ilay nahababo
             Fa tonga ianao (2)
             Ny lanitra mirana ny fo ravoravo

Partager mandongilongy

Commenter mandongilongy

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Mahaleo

Suite