4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Manembona - Mahaleo

Manembona aho re roy
Tapa-dia toa omby nafahy
manembona ny hava-tsy foy
lasa vetso sy very fanahy

Fa vitsika momba kitay
ny ranomaso no havozona
irery tsy misy miahy
Singan'olona toy ny voahozona

Toa mirahona ny alahelo
Raha mavesatra dia mianjera
raha tsisy hialofana tsy misy helo
dia mandena mamely tsy miera

Ny alahelo no hany sakaiza
ny tsiahy no hiondanana
te hilefa kanefa mba ho aiza
sara-tiana nohon'ny tsy fananana

tsy ho ela ny lanitra ho manga
hieretako izay zava-mitranga
ny johary efa manangasanga
ny toerako any tsy hijanona ho banga..

Partager manembona

Commenter manembona

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Mahaleo

Suite