4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Marovoay - Mahaleo

Ela nieritreritra hono aho an !
Ela nieritreritra,
Aleoko mandeha any alavitra any e,
Tsy hijanona eto aho ho'aho !

Fa sarotra ny fivelomana e !
Fa sarotra ny fivelomana a !
Hifindra monina lavitra any aho e !
Tsy hijanona eto aho ho'a !

Ny tanindrazana misy anay(bis)
Efa manomboka mihatery(bis)
Ny tany ngazana misy anay (bis)
Tsy mamokatra tsara intsony (bis)

Efa lasa lavitra anie aho a !
Efa lasa lavitra !
Mikarama any Marovoay aho e !
Ka hipetraka any aho ho'a !

E, raha te hanoratra ianareo
E, raha te hanoratra !
Tsy afa-mamaly ny taratasy aho e
Mbola sahirana

Raha taratasy mampalahelo (bis)
Aza alefa fa manahirana (bis)
Raha taratasy mampalahelo (bis)
Aza alefa fa manakivy (bis)

Ela nieritreritra hono aho an !
Ela nieritreritra,
Aleoko mandeha any alavitra any e,
Tsy hijanona eto aho ho'aho !

Partager marovoay

Commenter marovoay

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Mahaleo

Suite