4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Mazava atsinanana - Mahaleo

Mazava atsinanana e
Ilay faravodilanitra
Madio mangalahala
Ny lokon'ny lanitra

Mandom-baravarana e
Ilay tara-pahazavana
Madio mangarangarana
Ilay masoandro vao miposaka

   Io ilay maraina fa mody mahafinaritra
   Maraina vaovao nadrandraina hatramin'izao e
   Io ilay maraina izany nampanantenaina
   Mba tsy hahakivy anay efa niandry hatramin'izay

Ny maso izay mihiratra e
Mbola varimbariana
Ny saina no mandinika
Izay vao hita ny marina

   Io ilay maraina fa mody mahafinaritra
   Maraina vaovao nadrandraina hatramin'izao e
   Io ilay maraina tsy maintsy hifohazana
   Mahazaka maniraka mampitady fivelomana

          Ka manomboka amizay ny fitadiavana isan'andro
          Tsy hitahita indray dia hariva ny andro
          Mirehitra mena ny faravodilanitra
          Tsy azo antenaina fa masoandro milentika
          Ka manomboka maizina ny tany aman-danitra

          Tonga ity ny alina
          Ka hitondra inona
          Ny alina hono
          Mitondra fisainana
   
   Mifoha mbola maizina e
   Ny ankamaroan'ny olona
   Tsy misy miandry ny mazava
   F'efa samy miavo-tena

   Mifoha mbola maizina e
   My ankamaroan'ny olona
   Tsy misy miandry intsony
   Ilay maraina nofinofy

Partager mazava atsinanana

Commenter mazava atsinanana

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Mahaleo

Suite