4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Mba misotrosotro - Mahaleo

Saode ataon'ialahy oe manadino letsy a
Saode ataon'ialahy oe manadino letsy ao a
Tsia letsy a
Tsy maintsy mody iany letsy ao a
Saode ataon'ialahy oe mirediredy letsy ao a
Tsia a letsy a
Mbola tsy mety letsy a oa

Ny fiainana hono letsy tsy vita mora
Ra vao solafaka eo ialahy very panakora
Ka ny mora kivy,io tsy atao
Fa ao ambadika ao ny anjaranao

Saode ataon'ialahy oe mamolava letsy ao a
Tsia letsy a
Mba misotrosotro letsy a oa
Saode ataon'ialahy oe katry lava letsy ao a
Tsia letsy a
Fa malahelo letsy a oa

Ny fiainana hono letsy tsy vita mora
Ra vao solafaka eo ialahy very panakora
Ka ny mora kivy io tsy atao
Fa ao ambadika ao ny anjaranao

Saode ataon'ialahy oe mianin-kazo letsy a oa
Tsia letsy a
Mamboly voninkazo letsy a oa


Partager mba misotrosotro

Commenter mba misotrosotro

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Mahaleo

Suite