4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Misalovalovana - Mahaleo

Misalovalovana
ny lasa niombonana
lasa ireo, aleo lasa any
rano raraka amin'ny tany

Taloha rehefa avy nianatra
nilalao sambo an-tatatra
ranomasina ve io, sa rano mody
aiza izao ilay sambo, tsisy tody

Soa anie ny fahatsiarovana
mandondondondona tsy mamela

Lehibe isika roa lahy
nihira revy iombonana
hatrizay tsy nisy volana
isakariva diavolana

niantsa hasambarana
nivazo fahafahana
nioby maraina atoandro
novonoinao ve ilay masoandro

Soa anie ny fahatsiarovana
mandondondondona tsy mamela a!

tongotra miandàkana izao e!
izay no mba safidinao e!
aleoko aloha eto amoron-drano
ianao soava tsy hahita angano

Manonja ny fiainana
manjavona ny làlana
na mitsilopilopy vitsy ny kintana
maizimbe ny fiarahana

nefa soa anie ny fahatsiarovana
mandondondondona tsy mamela a!
soa anie ny fahatsiarovana
mandondondondona tsy mamela a!

Misalovalovana
ny lasa niombonana
lasa ireo aleo lasa any
rano raraka amin'ny tany
raraka amin'ny tany

Partager misalovalovana

Commenter misalovalovana

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Mahaleo

Suite