4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Mitady kandra - Mahaleo

Mamonjy miasa tany tambanivohitra }
any ambanivohitra any                   }indroa
Ny andro lohataona       }
andron'ny mpiasa tany   }indroa

Mafy anefa ny asa tany (2)
Ka mila herin-tsandry
Raha hifanadrina amin'ny tany

Mamonjy renivohitra ireo tambanivohitra
Any ambanivohitra (2)
Tsena ny andro any a!   }
Andro fivarotana          }indroa

Miakatra ny vokatry ny tany (2)   }
Hatao inona daholo ?                   }
Hatakalo vola ho a!                     }indroa

Toa mitady kandra foana ho aho ny tary e!
Any an-drenivohitra any   (2)
Toa màzana ihany vao mety mahita
Ka very any an-drenivohitra any e!
Mivarotra ny herin-tsandriny izy e! (2)

Toa migadragadra foana ho aho ny tary e!}
Any an-drenivohitra any                         }indroa
Fa inona ihany no mahatonga izany a!
Ka very any am-pigadrana any e!
Tsy aty ambony tany intsony izy e!

Izany e !tsy miparitaka (2)                }
Ny olona rehetra anefa mahalala izany }indroa

Tsy afaka mankaiza izy e!
Tsara ambina tsara ho aho ny figadrana any e! (2)
Fa very any am-pigadrana any e!
Tsy aty ambony tany intsony izy e!

Partager mitady kandra

Commenter mitady kandra

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Mahaleo

Suite