4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Mofo tantely - Mahaleo

Hitako omaly ireo zanakao
Tao an-tokotany tao nilalao.
Fa nampanataoviny mantsy aho omaly
nandalondalo saika hamangy

Teo am-bavahady aho no nijoro
tsy nisy afa-tsy tanam-poo
Hitondra bônbôn ve izaho sa sôkôla
Ho an'ny zanakao mianadahy.

Ref: Tsaroako ianao fahiny
mihinana mofon-tantely
Ity vetsovetso ataoko androany ity.
Ho anao ilay tsy lany mamy

Mitovy aminao ikalavavinao
Tahafiny ireo masonao
Matahotra izy nahare varatra
Varatra avy any an-danitra

Ilay lahy kosa maherihery setra
Mitovy taminao naditraditra
Milalao ranon'orana izy dia
mihirahira aviavia raha orana.

Ref(2)

Hitako omaly koa ilay vadinao
Izy angamba mahafinaritra
Niafona aho anefa toy ny mpangalatra
Ny marimarina izaho menatra.

hampanateriko ireo sôkôla
Ho an'ny zanakao mianadahy
tsy hifanatrika aho tsy handroso
satria ianareo roa ho ambinin-tsoa

Ref(2)
.

Partager mofo tantely

Commenter mofo tantely

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Mahaleo

Suite