4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ndeha re anaka - Mahaleo

Ndeha re anaka
Ny reninao antony
Fa ory zanaka
Mangasihasy ny fony
    Aza mitsara
    Izay mety ho vitany
    F\'izy efa nanambara
    Fa neniny ny vitany
Koa manantona
Fa reninao io
Aza andrasana hifona
Fa mba tsiditsidiho

Koa mandehana
Adinohy ny fahiny
Fa raha misy fahotany
Tsy azy irery ny tsiny
    Raha tapaka ny tady
    Tsy izy irery no elohina
    Fa olon-droa no mivady
    Samy manana ny anjara adisoana
Teny nifampierana
No nisarahanay teto
Zaho ty mitàna
Anao eto anilako eto

Efa tonga ny fotoana
Izay anantonany
Omenareo mihaona
Mianara miara-dia
   
Sady ianao efa ela
No nahatsapa ny fahabangany
Koa mianara mamela
Mandehana mankany

(Atolotro manokana an'i Hoffman, hira tena ankafiziny izy io, ho fahatsiarovana ny fahiny...)

Partager ndeha re anaka

Commenter ndeha re anaka

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Mahaleo

Suite