4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ny fahazazana - Mahaleo

Veloma (2) ry fahazazana
Veloma (2) rehefa tsy tamana.
Veloma f'izaho tsy afaka hitana
Veloma(2) ndeha ka faingana

Avelao aho hamoy fo mangina
Eto akaikinao, akaikinao ry tiana
Torimaso, sakafo sy lalao
No niarahako taminao.

Arahaba e ry fahatanorana
Arahaba e ry fahalalana
Arahaba e ry fahadalana
Tsy ary voatanisa sarotra isaina

Nigoka, nifoka ary koa nijangajanga
Ny ota rehetra indro nitranga
Kilalao hafa kely no natao
Niova tantely isan'andro izao.

Dia veloma e, ry fahazazana
Veloma (2) rehefa tsy tamana.
Veloma f'izaho tsy afaka hitana
Veloma(2) ndeha ka fainganana

Nananontanona ary ny fahanterana
Miandry any am-pasana ilay toerana
Mitomany indray ny fahazazana
Ny fahafatesana nefa tsy azo ialana.

Dia veloma e, ry fahazazana
Veloma (2) rehefa tsy tamana.
Veloma f'izaho tsy afaka hitana
Veloma(2) ndeha ka fainganana

Partager ny fahazazana

Commenter ny fahazazana

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Mahaleo

Suite