4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ny tena fitia - Mahaleo

N'inona nanjo
Na tojo ny mafy na nambiny njava-tsoa
Na faly na maloka ny fo
Ianao tsy lavitra fa teo anilako

Ny masonao no ahitako
Ny tongotrao no mahalala ny lalana hombako
Izay taratrao no fahazavako
Ny fo tsika mitempo mifamaly tony lamako

Fiv: Izany kia ny fitia, fitia tena fitia
Iray aina, iray safidy
Izany kia ny fitia, zay tiako no tia ndry
Mizara ny mamy, mangidy
Voa tsongo ianao,izao no marary
hosa ianao izao no tsy zarizary
Sanatria tsy hifanary
Toa rano sy vary

Izay telinao no ho lalaiko
Izay sitrakao ho no mampandry ny saiko
Izay babinao de ho zakaiko
Izay mihantra aminao no mihantraika aminy aiko

Tanana-kavy sy havanana
Na mora na sarotra hiarahana manana
Ny mafy hifanohanana
Na be na kely hifanapahana

Fiv:Izany kia ny fitia, fitia tena fitia
Iray aina, iray safidy
Izany kia ny fitia, zay tiako no tia ndry
Mizara ny mamy, mangidy
Voa tsongo ianao,izao no marary
hosa ianao izao no tsy zarizary
Sanatria tsy hifanary
Toa rano sy vary

Partager ny tena fitia

Commenter ny tena fitia

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Mahaleo

Suite