4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Raozy - Mahaleo

Ô raozy e, raozy e !
Raozy kely, maty aho an
Nahoana ho aho ianao
No tsy mety mankaty amin’ny tranonay

Ô raozy e ! (2)
Raozy kely any an-tsaha
Avia vetivety
fa ho amboleko etsy an-tokotany

tsy tiany (2) ny tokotaninay
satria rehefa tonga ao izy, dia   
gadraina ao anaty vazy

tsy tiany (2), ny tokotaninay
satria ny tokotaninay
dia misy zezi-bazaha.

Aminareo izay tady hitondra
tsy mijery tsy mitsiky
tsy miteny izy ho aho.
Ny tananareo izay tady hitondra
Tandremo (2), sao dia maratra ho aho

O raozy e ! (2)
Nahoana hoaho ianao
No dia masiaka
Ô raozy e ! (2)
Manana tsilo anaki-telo

Ô ! ! ! Ô ! !
Raozy, zanaka tantsaha   
Ô ! ! ! Ô ! !
Raozy, zanaka tantsaha   

Ny volony (2), dia volo
Mahafatifaty,
Vokatra tsara tahaka ny
Bozaka maniry
Eny an-tsaha

Ny masony (2), dia maso mahafatifaty
Mahita ny zava-miafina
Izay afenina azy

Ny orony (2), dia orona mahafatifaty
Mahalala ny rivotra tsara
Izay tokony hiainana

Ny sofiny (2), dia sofina mahafatifaty
Mahalala ny vaovao
Izay tokony henoina

Ny vavany (2), dia vava mahafatifaty
Mahasahy miteny ny marina
Izay tsy tokony ho lazaina.

Ny tratrany (2), dia tratra mahafatifaty
Afaka manome ronono velona
Hoan’ireo izay tsy ampy sakafo

Ny kibony (2), dia kibo mahafatifaty
Afaka manome zaza
Hoan’ireo izay tsy mba manana

Ny tanany (2), dia tanana mahafatifaty
Enjankenjana tsara sady
Be bokon’hozatra.

Ny tongony (2), dia tongotra mahafatifaty
Vakivaky ny andro vao maraina
Sy ny fotaka eny an-tsaha .

Aminareo izay tady hitondra
tsy mijery tsy mitsiky
tsy miteny izy ho aho.
Ny tananareo izay tady hitondra
Tandremo (2), sao dia maratra ho aho

O raozy e ! (2)
Nahoana hoaho ianao
No dia masiaka
Ô raozy e ! (2)
Manana tsilo anaki-telo

Ô ! ! ! Ô ! !
Raozy, zanaka tantsaha   
Ô ! ! ! Ô ! !
Raozy, zanaka tantsaha   

Partager raozy

Commenter raozy

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Mahaleo

Suite