4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Rehefa maty aho - Mahaleo

raha ho avy ralala ny taona hodiako
aho ambanin'ny tany tsindrian-drangolahy
ka ho vato no solo kidoro hatoriako
de izao no mba zavatra ataovinao ahy
       voleo voninkazo eo an-dohan'ny fasako
       fotsy sy mavo ary manga sy mena
       ka avelao haniry eo mandra-pifohako
       mba hanofisako lay fanekena
ny fotsy ho marik'ilay fahadiovana
misy aminao tsy mba azo lotoina
soratra velona tsy azo vonoina
toy ny horom-bato izay nifanaovana
       ny endrin'ny mavo no fofony manitra
       dia fivavahana ataoko any an-danitra
       mba hitsinjovany anao tsy ho irery
       ombany   raha sendra tsy misy mpijery
ny manga ho marikik'ilay fihafihana
niaraha-niaritra zava-mangidy
dia lay andro namoizana ilay fifaliana
niaraha-niharitra zava-tsy fidy
       ny mena ho taratrin'ny afo tsy maty
       mirehitra lava ao anatin'ny foko
       io lay fitia,fitia tena anaty
       fitia voa-kase sy voatomboka loko
ny fasako ataovy ao andrefan-tanana
ataovy mikasika ny ilan-kamory
soraty eo ny tenin'ny fanantenana
"tsy maty aho akory fa mbola matory"
         ny moron'ny rano voleo volotara
         ka jerijereo fa aza avela ho maina
         tarafo eo aho fa ho tsinjonao tsara
         tsy miala eo aho raha tsy efa maraina
na dia maty aza anie zany tenako be
sy miraraka an-tany ny ra ao am-poko
ny fitiavako anao tampetraka anie
tsy mba ho faty tsy mba ho lo

Partager rehefa maty aho

Commenter rehefa maty aho

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Mahaleo

Suite