4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Renin-drainivoanjo - Mahaleo

Ny renin-dRAINIVOANJO anie dia tsy mba nahalala
Fa ny zanany lahy ka avy any NOSY LAVA
Fa ny zanany lahy anie ka ilay gadra lava
Ny renin-dRAINIVOANJO anie dia tsy mba nahalala
Fa ny zanany lahy anie loza amin'atambo
Ny zanany lahy natao fizahana lambo

Afak'omaly atoandro izy nandeha nilaha-bary
Ka nahita olo-maro nitazana sary
Sarin'olon-dratsy navoaka an-gazety
Hay sarin'ny zanany
Tomany izy nama ! ! !
Ny renin-dRAINIVOANJO anie dia tsy mba nahalala
Fa ny zanany lahy anie dia ilay gadra lava
Fa ny zanany lahy anie dia avy any Nosy Lava
Ny renin-dRAINIVOANJO anie dia tsy mba nahalala
Fa ny zanany lahy anie dia loza amin'atambo
Ny zanany lahy natao fizahana lambo
Tonga tany an-trano izy tsy nahamasa-bary
May teo ambony fatana ny laoka kely atoandro
Fa izy dia nino fa ny zanany dia hendry
Fa ny FANJAKANA angamba no adaladala
Iza no mahalala ?
Tomany izy nama ! ! !

Fa mbola misy ihany ny fihazana lambo (2)
Ireo mahay , mahay taratasy
Mankany anaty ala , ala tsy misy hazo
Ala tsy misy hazo fa feno trano
Feno trano toa an'ANTANANARIVO
Ny lambo enjehany,zanaka bado (2)

Partager renin-drainivoanjo

Commenter renin-drainivoanjo

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Mahaleo

Suite