4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Tena fitia - Mahaleo

n'inona hanjo
na tojo ny mafy
na aminin-java-tsoa
na faly na maloka ny fo
ianao tsy alavitra fa teo anilako

ny masonao no ahitako
ny tongotrao mahalala ny lalana ombako
ny taratrao no fahazavako
ny fontsika hitempo
hifanantona hilamako

izany akia no fitia
fitia tena fitia
iray aina iray safidy
izany akia ny fitia
izay tiko no tian-dry
mizary ny mamy mangidy
voatsongo ianao
izaho no marary
osa ianao izaho no tsizarizary

izay teninao no holalaiko
izay sitrakao no mampandry ny saiko
izay babinao dia hozakaiko
izay mihatra aminao
miantraika amin'ny aiko

tanan-kavia sy havanana
na mora na sarotra iaraha-manana
ny mafy ifanohanana
na be na kely ifanohanana

Partager tena fitia

Commenter tena fitia

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Mahaleo

Suite