4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Tina ve - Mahaleo

Mangitakitaka,mitebiteby,mibitabitaka
Somebiseby ny foko
Rehefa ao manina an-dry
Ireo andro niarahana
Fohy dia fohy
Tiako hitarina,tiako hitohy kanefa
Ianao indray no tsy sahy

Tina ve,diso tiana
Ka mampitondra fahoriana
Mamo ve diso mamo?
Andraso kely anie aho
Ra toa ianao ka kamo

Tsy andriko intsony ny andro maraina
Ahitako ny fony
Ary hitenenako ireo teny
Izay noforoniko an-dry
Tsy mahasaraka,tsy mahatombona
Efa niaraka,efa niombona isiaka
Zay vao nifankatia

Foiko ho anao,tsisy fetra
Ny fitiavako rehetra
Omeko anao,ra sitrakao
Ireo nofinofy matory ao anatiko ao







Partager tina ve

Commenter tina ve

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Mahaleo

Suite