4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Tsaratsodrano - Mahaleo

Zahay mitady toa sondrian-tory
Nihevitra anao ho ankizy foana
Noho ny nihiratra taitra tsy hitahita akory
Hay moa ianao tonga taona

Hay moa tokoa ianao àry elatra
Te hanana zo, te handeha, te hivelatra
Vita ny adidin'i dada sy i neny
Efa vonin-kazo ilay voa novoleny

Ndeha, tsara tso-drano
Tsy ho azon-tsampona tsy hidiran'angano
Andeha, soava tsarà
Zay vao tena lehilahy.

Be ny tafahoatra, be koa ny tsy ampy
Na ny anatra na ny tambitamby
Be ny sakatsakana , be ny fandraràna
Toa tara toetr'andro izahay mazàna

Nefa izay moa no mba heverinay ho tsara Satria ny tianay ho tsara dimby sy fara
Aza tsiny mety tsy ho tsara daholo
Ny mba faniriana : nahay nitaiza sy nikolo

Andeha, ny any aloha no banjino,
Ny fahendrena no vatsy aza adino
Andeha, mahità ny mamy
Mba ho lavitra tomany

Lasa nandeha ka hisidina irery
Efa lehibe tsisy hadidy tsisy hanery
Handimby ireo zoky , hiantsoroka adidy
Ny mba faniriana tsy ho ratsy safidy

Andeha, mahaleova
F'ianao no dimby, ianao no handova
Andeha, ny anarantsika
Aza avela hentin-driaka.

Partager tsaratsodrano

Commenter tsaratsodrano

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Mahaleo

Suite