4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Veloma - MAHALEO

Veloma (2), ry fahazazana
Veloma (2), fa efa tsy tamana
Veloma f’izaho, tsy afaka hitana
Veloma (2), ndeha ka faingana

Avelao aho hamoifo mangina
Eo akaikinao, akaikinao ry tiana
Torimaso, sakafo sy lalao
No niarahako taminao

Arahaba e, ry hatanorana
Arahaba e, ry fahadalàna
Arahaba e , ry hadalana
Tsy ary voatanisa, sarotra isaina

Nigoka, nifoka
Na nijanganjana
Ny ota rehetra indro mitranga
Kilalao hafa kely no natao
Niova tantely isan’andro izao

Veloma (2), ry fahazazana
Veloma (2), fa efa tsy tamana
Veloma f’izaho, tsy afaka hitana
Veloma (2), ndeha ka faingana

Nananontanona ary ny fahanterana
Niandry any am-pasana ilay toerana
Nitomany indray ny fahazazana
Ny fahafatesana anefa tsy azo hialana

Partager veloma

Commenter veloma

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe MAHALEO

Suite