4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ambohikobaka - Mahaleo

Mivalana ary koa ny gitara
Toy izany koa ny feo
Ka aoka isika samy hihaino tsara
Fa izy ity tsy angano na tantara
Fa mikasika ny fiainantsika eto Madagasikara

Misy eritreritra miainga
Miainga avy eny Ambohikobaka
Avy hatrany dia manao savoan-danitra
Mandinika avy eny ambony eny
Io ilay eritreritra, ambonin' ny latabatra
Mahay mandresy lahatra
amin' ny kobaka am-bava

Toa lavitra be ny eny Ambalambahoaka
Raha tazanina avy eny Ambohikobaka
Toa lavitra be ny eny Ambohikobaka
Raha tazanina avy eny Ambalambahoaka
Tsy mahatazan-davitra ny any Ambalabamhoaka
Tsy mbola afaka mitsinjo ny vody andro merika
Tsy tazana mihintsy ny any Ambalabahoaka
Fa varimbariana ny lavitra ny eny Ambohikobaka
Ny eny Ambohikobaka variana
Mivarotra rorono an-tavy
Ny any Ambalambahoaka sahirana
Mitady ny hanina hohanina anio

Manaraka tsara ve ? manaraka tsara ve ianareo
Raha manaraka tsara ianareo
Dia ho tohozantsika ny tantara.

Misy eritreritra miaingna
Miainga vay any Andohasaha
Avy hatrany dia misandrahaka
Henika azy ny any Ambanivohitra any
Io ilay eritreritra
Eritreritra tsantsaha
Maniry amin' ny tany
Mahazo fakany avy hatrany

Toamangina be ny avy eny Andohasaha
Raha henoina avy eny Ambohikobaka
Aza ny lohasaha mangina no jerena
Fa Ambohikobaka an-tampon' ny loha
Tsy heno mihintsy ny avy eny Andohasa
Avo feo loatra ny avy eny Ambohikobaka

Nankaiza tokoa ary ny feon' ny tantsaha
No ireo mpisolo vava no mbola tompon' ny laka
Ny eny Ambohikobaka mifaninana
Mamadika bainga hivelomana

Manaraka tsara ve hianreo ? (bis)
Raha manaraka tsara hianareo
Dia ho tohizantsika ny tantara.

Ilay nosy izay mamintsika
Tsy manan-tsahala izy ity
Iaraha-mahita
Ilay nosy fonenantsika
Mbola maro olana izy ity
Tsy voavahantsika

Ireo izay nitondra hatramin' izay
Dia nihevitra fa azy ireo irery ny tany
Mahay politika mampandry adrisa
Ilaina, hono, ny hafetsena raha hitondra firenena
I Madagasikara anefa (bis)
Tsy an-dry zalahy irery
Antsika ihany koa
Ka raiso ny andraikitra
Any Andrnivohitra no misy fahaizana
Izay tompôn' ny fahaizana, hono,
No mifehy ny tany
Any Andrnivohitra no misy ny vola
Izay tompon' ny volan honon
No mitondra ny tany

Any Andohasaha, ny fanahy no maha olona
Izay manam-panahy, dia ny miasa ny tany
Mamokatra vary ho antsika Malagasy
Soa fa mbola misy fahendrena eto amin' ny firenena
Zovy amintsika anefa (bis)
No mahalala an-dRamalagasy
No mahay ny fahendrena Malagasy
No mahay mihaino ny avy any Andohasaha ?

Partager ambohikobaka

Commenter ambohikobaka

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Mahaleo

Suite