4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Amoron-dàlana (fianarantsoa) - Mahaleo

Amoron-dàlana aho indray hariva izay
niandry fiarakodia hodiana   any   aminay
sendra nandalo ialahy nahita ahy samirery
ka nampandroso anahy tao anaty ny fiarakely

Tsy hohadinoiko   anie izany làlana izany
any ny havako, ny namako, ny ankany
miolakolana ny mianatsimo any
ny fitiavako mahitsy hatrany

Manerikerika ilay Fianarantsoa
misy malaina ity fizahoana soa
nahatsiarotsiaro izaho hoe aiza izao ialahy
nianavaratra hono fa maro ny asa

Tsy hohadinoiko anie izany làlana izany
any ny havako, ny namako, ankany
miolakolana ny mianatsimo any
ny fitiavako mahitsy hatrany

Ny ropilanina manao hitsin-dàlana
mitondra hafatra ho sora-tànana
salama ny aty hoy ny tany rehetra
hoy ny havana etsetra etsetra

Tsy azo hadinoina anie ity nositsinka ity
any ny havana sy ny ankany
miolakolana ny fiainana an-tany
ny fitiavako mahitsy hatrany.

Partager amoron-dàlana (fianarantsoa)

Commenter amoron-dàlana (fianarantsoa)

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Mahaleo

Suite