4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ho avy tsy ho ela - Mahaleo

ho avy tsy ho ela
hanolo ny hatsika ho hafanana
izao tsy hamela
ny aizina handresy ny hazavana
ireo mafy nihafiko
namoizako ankany, nandaozako tiana
dia efa nikimpiko
ahafahako hivimbina hafaliana
any aoriana
raha mipotrapotraka
ny hatsemboako toa tsy ho lany
ny vatako trotraka
manahy ny ho lavo fa mijoro ihany
tsy maintsy hivaly
ny andro manorana mbola ho tsara
ianareo tsy hijaly
fa ho avy aho ho tonga hikarakara
ao afara

fa ho avy aho sombinaina
tsy ahantra na dia tsy ho mpanana koa
saingy tsy hiveri-maina
hitondra ny ampy hiavian'ny soa
ho avy aho hitoetra
hanandratra anao mba ho ambony
ny fahoriana rehetra tsy handresy lahatra intsony
fa hitony

ianao sasa-niandry
nizaka mangina izay nidona
tsy tafandry mandry
nefa tsy kivy, tsy nirona
injay isika hihaona
ianao ilay nitondra, ianao ilay nizaka
tsy ho olonolom-poana
fa ho asandratro mpanjaka
afaka hitraka

Partager ho avy tsy ho ela

Commenter ho avy tsy ho ela

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Mahaleo

Suite