4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Siramamy - Mahaleo

Toa tsy misy atao aho

Mahatsiaro anao aho

Ianao milalao

Ianao mampilalao ahy



Tebitebin-tsaina

No hoentiko miaina

Ary toa mangaina

Verivery saina



Fafao ny alahelo, fafao ny ranomaso

Tsy vitan’ny tomany ny onjan’ny akaso

Atanjaho ny saina, atrakao ny loha

Fa ho avy ny maraina,ho tonga koa ny soa



Aza mora taitra

Raha tojo ny mafaitra

Asio siramamy, asio siramamy



Ny ngidy ho lasa ho mamy,

Ho foana ny tomany,

Ka hibaliaka indray,

lay masoandronay



Misava moraramora, ny rahona mandalo

Raiso ny gitara, andao isika hikalo

Raha ny adin-tsaina ve no atao hampimalo

Ka hilavo lefona raha sendra fahavalo.



Aza mora taitra

Raha tojo ny mafaitra

Asio siramamy, asio siramamy ...



Raha mbola misy siramamy.

Partager siramamy

Commenter siramamy

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Mahaleo

Suite