4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Tsy misy ny doria - Mahaleo

iara iaina ny andro androany
ho toy ny andreo farany
iara igoka izay mety ho mamy
mandra pahalefy ny tarany
ny maso ikipy tsy ahita
ho tapitra ny fofon\'ainy
ary ho vatan\'angatsiaka
fa any ankoatra tsy ilainy

refrain
satria ny vitana sy anjara
no mamaritra ny dia
ny ho tsy voatery ho tonga lafatra
satria tsy misy ny doria
ny vitana sy lahatra
mety amingana ny dia
ny ho avy tsy voatery ho tonga lafatra
satria tsy misy ny doria

ny ampitso fanontaniana
mety ho farany io fa tadidio
iara igoka izay zava tiana
ho fahataperana ny anio

refrain

Partager tsy misy ny doria

Commenter tsy misy ny doria

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Mahaleo

Suite