4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Nahoana kay - Mahaleo

Nahoana kay ny kilonga aty
no tsy mahay taratasy ?
Nahoana kay   ny kilonga aty
no tsy mahalala taratasy ?
Taratsin' izy ireo dia ny teny amboleny
Ny angadin' izy ireo no fanoratany eny.

Ny fiainan' izy ireo dia mivelona amin' ny tany
Fonenan' izy ireo tsy mba eny an-danitra eny
Nahoanay kay ny olona ety
no noana fahavatra ?
Nahoana kayny olona ety
no tsy manam-bola vahavatra ?
Volan' izy ireo dia ny vokatry ny tany
Harenan' izy ireo tsy mba izany vola izany
Ny fiainan' izy ireo dia mivelona amin' ny tany
Fonen' izy ireo any ambanivohitra any.

Nahoana kay ny fiainana aty
no sarotra ivelomana ?
Nahoana kay ny fiainana aty
no sarotra iainana ?
Ny tenin' izy ireo dia teny halan' orana
Tananan' izy ireo dia tanana alan-drivotra
Volan' izy ireo sangisangin' ny havandra
Kilongan 'izy ireo dia mararirary lava
Ny fiainan' izy ireo, fiainana lavitra   antsika
Ny fiainan' izy ireo, fiainan' ambanivohitra

Ny fiainantsika ety, fiainana an-drenivohitra
Fiainantsika ety, fiainana manao ahoana ?
Antsika no mamantatra izany.

Partager nahoana kay

Commenter nahoana kay

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Mahaleo

Suite