4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Nahoana kay? - Mahaleo

Nahoana kay ny olona ety
No tsy mahay taratasy
Nahoana kay ny kilonga ety
Tsy mahalala lakilasy

   Taratasin'izy ireo dia ny tany amboleny
   Ny angadin'izy ireo no fanoratany eny
   Ny fiainan'izy ireo dia mivelona amin'ny tany
   Fonenan'izy ireo tsy mba any an-danitra any

Nahoana kay ny olona ety
No noana fahavaratra
Nahoana kay ny olona ety
Tsy manambola fahavaratra

   Ny volan'izy ireo tsy mb'izany vola izany
   Ny harenan'ireo dia ny vokatry ny tany
   Ny fiainan'izy ireo dia mivelona amin'ny tany
   Fonenan'izy ireo any ambanivohitra any

Nahoana kay ny fiainana ety
No sarotra ivelomana
Nahoana kay ny fiainana ety
No sarotra iainana

   Ny tanin'izy ireo dia tany halan'orana
   Tananan'izy ireo, tanana halan-drivotra
   Volin'izy ireo sangisangin'ny avandra
   Kilongan'izy ireo mararirary lava

         Ny fiainan'izy ireo, fiainana lavitra antsika
         Ny fianan'izy ireo, fiainana any ambanivohitra
         Ny fiainan-tsika ety, fiainana andrenivohitra
         Ny fiainan-tsika ety, fiainana manao ahoana

         Isika mamantatra an'izany

Partager nahoana kay?

Commenter nahoana kay?

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Mahaleo

Suite