4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Paiso ra-kena - Mahaleo

PAISO RA- KENA

Vokatra ireo paiso ra-kena
Mirehitra ireo azo mivoara mena
Ao avaratrin’ny abatoira
Mihintsina ireo masaka

Alakamisy ariva andro tsy fianarana
Mifampitantana izay roa lahy
Ho any avaratrin’ny abatoira
Hangalatra ireo paiso ra-kena

Ref : Mena mena asa raha tadidin’ialahy
             Mena mena ny lokon’ny fahatsiarovana

Rehefa tonga eny ambony paiso
Hidiko ny varavarana
Manasaraka ny ambony sy ny ambany
Ny lanitra sy ny tany

Ny lanitra azo tsapaina tanana
Ny papango nanjary namana
Ny vavanay roa lahy amin’izany
Boba-dra amin’ny paiso ra-kena

Ref : ……

Indray alakamisy izy tsy tonga
Fa lasa nifindra lavitra
Sendra ariva mena masoandra
Noheveriko fa fara-andro

Nody ao tsy saha nangala-paiso
Nifampitantana izao sy halaheloko
Ao avaratrin’ny abatoira
Mihintsana ny fahatsiarovana

Rehefa lehibe izao hamboly paiso
Ny tokontaniko fenoiko
Ho vokatraireo paiso ra-kena
Ho tonga ireo ankizy hangalatra

Ref : …….

MAHALEO

Partager paiso ra-kena

Commenter paiso ra-kena

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Mahaleo

Suite