4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Raha noana ny kibo - Mahaleo

Raha noana ny kibo re
Mivezivezy ny fanahy
Na ireo razana efa lasa aza
Tsy mety mitahy
Koa aza mba kanosa re
Sy be ahiahy
Fa sao dia voasongona
Fa be ireo fetsy lahy
Ialao ny hakamona
Mitondra mosary
Fa ireo razana hanohana
Raha mamboly vary
Fa ny fambolena ihany
No harena eto an-tany
Fa izay manao izany
Hisongadina avy hatrany
Fa efa miha sarotra
Ity fiainana ity
Fa misy te-hivarotra
Ity tanintsika ity
Tsy fantatra intsony
Aiza ny marina
Fa 'tady ho lotoiny
Amin'izay tsy ho tafarina
Fa 'tady ho vonoiny
Koa hivarimbarina
Fantatsika mazava anie
Ireo olana misy
Izay tsy ampoizina akory
Nefa misy dia misy
Fa ny toky anie fitaka
Ny atao hono no hita
Na inona na inona hasaritaka
Refa vonona tafita
Ny alaolana dia betsaka
Mameno ny tany
Avelao atamin'ny resaka
Fa io tsy mety lany
Inona ary no hatao
Mba hialana amin'izao
Raiso ary ny andraikitra
Fa efa mafy ity ny kaikitra
Nahoana raha miara-dia
hifanohantohana
Hifanaja, hifankatia
Tsy hifanondro vohana
Hiaraka hikarakara
Ity tanintsika ity
Ka ny soa sy tena tsara
No hatolotra azy ity
Aza mba mizarazara
Hampadroso azy ity

Partager raha noana ny kibo

Commenter raha noana ny kibo

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Mahaleo

Suite