4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Hira ho anao - Rija Ramanantoanina

Nangoniko ny hira, hamerina aminao

Ireo teny mamy kanto, nambarako taloha

Indramiko ny hira

Hamerina indray ireo ora mamy, niainantsika.

Na lavitra tsy hita; na eto na any am-pita…

Ianao dia hira kanto, hifahatsiarovantsika.

Mandrotsirotsy ny alina, namako maraina

Tsy foiko ny hariva ny hira.



Hiran’ny fo no namoha ilay fitia

Saika natory tsy re !

Tokin’ny namana tsy misara-dia

Tokin’ny tsiky sy hehy.

Eny ! hihira aho, ho anao sy ho ahy koa

Hiombonantsika ao am-po

Eny ! ny hira no mbola hisaorako,

Ny hira iray tsy mba roa.



Natoniko ny hira, hanakarako ny saiko

Hamaly ny tsy nety, tsy tsara vitanao…

Indramiko ny hira, hamerina indray

‘lay fiainana nadio fy taloha

nafarako an-kira izao tontolo izao

mba hikalo toa anao

hidifiana ady maro,

lazaiko ny tontolo, mba hira no asolo,

ny fatotry ny mbola voafehy…..



Amin’izany hasambarana indray

Tontolon-tsiky no ety !!

Tontolo iray saika lo no tafaray

Hiaraka hiangaly fitia.



Eny hihira aho ho anao sy ho ahy koa.

Hiombonantsika ao am-po

Eny hira no mbola hisaorako

Ny hira iray tsy mba roa.




Partager hira ho anao

Commenter hira ho anao

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Rija Ramanantoanina

Suite