4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Mila - Rija Ramanantoanina

Mila tsy ho zakako indraindray

Ny irery ato an-trano

Mafy ny efa zatra roa ka iray

No sendra hamohamo.

Mila tsy ho tantiko indraindray

Lay fo zary sina

Zatra naman-tiana hatrizay

Nipitra mangina.

    Aza ilaozanao ny foko tia tavela singany manirery ety

    Aza ilaozanao avia ho anilan’ny tia anao



Ny ety anie ka marobe

Reo zay manimbolo ô

Firifiry, kely na lehibe

Mandalo daholo.

Mila tsy ho tantiko indraindray

Ireo fakam-panahy

Manan-tsiky resabe tsy hay

Mampanahy ahy



Ny eo anilanao no tiako izay

Ny eo akaikinao no tiako haleha

Faingana avia ry tiako indrindra

Ho anilan’ny tia anao.

Partager mila

Commenter mila

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Rija Ramanantoanina

Suite