4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ny fitiavanao - Rija Ramanantoanina

Jiro iray nanomboka nirehitra, nihitatra nandrakotra

Nanenjika izay takany

Jiro iray, niredareda fatratra no nolemanao

Dia indro maty toa tsy nisy.

Fo iray nanomboka nidoboka, nifaly sy nibitaka

Nihoraka, nitsinjaka…

Fo iray, tsy hahalala sasatra no nodininao

Tsy hahafantatra ny tsikin’ny anio

Zary toy ilay jiro teo.



Fantatrao no sady tsy afeniko

Fa raha tsy misy anao, dia maizina ny lanitra

Efa tsapanao tsy mbola noteneniko

Fa ny fitiavanao no antoky ny androko

Dia hangina aho aloha fa hihaino ahy koa

Izay ambaran’ny alina, zay lazain’ny rariny ahy.



Raozy iray hanomboka hivelatra

Hitombo sy hamelana

No indro ataoko taratra

Raozy iray, tsy ho ao anaty vazinao no haniriny

Ilay tsy mila atondrakao intsony

Fo iray, hahazo abakabaka, hiazo lalan-kafa indray

Hidoboka tsy ho toy ny teo

Fo hifaly, hahita toeran-kafa iray

Tsy honenanao

Ka hivelatra toy ilay raozy teo

Nihazo lalan-kafa indray.






Partager ny fitiavanao

Commenter ny fitiavanao

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Rija Ramanantoanina

Suite