4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Serana - Rija Ramanantoanina

Nidify tsy hita taratra intsony

Nandalo vetivety toy ny tsy teo

Ny entana nentiny aza nafoiny

Hivalona ve sa mbola hitohy

Ny anganontsika roa

Toa fohy fa nanohina ny fo

Toa fohy fa nampifoha ny masoandroko



Tsiriry mandalo lavitra akany aho

Mitety farihy havoana tsy teo

Jirery manjohy fodiana tokoa

Tsy manana akany an-tananao

Tonga nampangovitra

Ilay hafanana kely teo

Ilay fo niniana tsy hangina

Tsy naloam-peo

Fa sara-namana vao hitany



Tojo fitia

Nampifanatona ny fontsika roa

Fitia mandalo nefa moa

Iza no tsy nahalala

Antsika roa nisara-dia

F’ilay fitia no vetivety dia noraisiny

Zary fitia mitondra ratra nitamberina.

Partager serana

Commenter serana

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Rija Ramanantoanina

Suite