4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Saoly - Mahaleo

Fahiny ela be izay dia nisy lehilahy iray
Tody soa amantsara indray an-tanàna nahabe
Tsy niova ilay tanàna mbola toy ilay fahizay
F'ity lehilahy voalaza no nisy fiovana be

Indray andro ralehilahy handeha ho ao Damasikosy
Teny an-dalana izy nahita an'i Jesosy
Nitodi-doha izy ho ao Jerosalema
Niova fo tanteraka, madio tsy misy kilema

             Io no Saoly, Saoly, Saoly
             Niova fo
             Ho olom-baovao
             Io no Saoly, Saoly, Saoly
             Niova fo

Fahiny ela be izay nahoana moa ry Saoly
Tao Damasikosy ianao feno fankahalana be
Ireo mino an'i Jesosy tena nohejehinao
Ankehitriny anefa toa nisy fiovana be

Lasa ireo namana, lasa ireo haditrana
Nahatsiaro ho tena irery, niha hendry ombieny ombieny
Fa i Jehovah tsy nanary azy
Fa vao mainka nanova fa tsy mba nanasazy

             Io no Paoly, Paoly, Paoly
             Niova fo
             Ho olom-baovao
             Io no Paoly, Paoly, Paoly
             Niova fo

Partager saoly

Commenter saoly

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Mahaleo

Suite