4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Somambisamby - Mahaleo

Somambisamby re ry lahy e , toy ny andro diavolana
Ka ontsaontsa ny fanahy, fa maro ny olana
Manembona ny any aminay , tanàna tsy foina
Mahatsiaro ireo havanay, tsy hay hadinoina , mba jerijereo

Mba jerijereo ny tananàntsika , aza avela hangina , aza avela hangatsiaka
Fa mbola ho tonga indray androany , hitondra ny soa , hitondra ny mamy
Hirongo tantely ,hirongo vilany

Toa mateti-pihavy kanefa ilay ora-panala
Ka lasa ny saina miantefa hamangy ny malala
Ka lavitra anefa ny any ,toa saro-banjinina
Ny sento no hampitaina any , veloma masìna ô

Veloma masìna ,veloma ry tiana
Alao ny alahelo handao ny akiviana
Fa mbola ho tonga indray androany
Hitondra ny soa , hitondra ny mamy
Hamafa tomany ,hamafa vinany

Na dia maro aza ny zava-midona, aza atao mampifezaka
Aza kivy na very finoana   ,mandehana manezaka
Ao anatin' ny ngidy   ny mamy, ka saro-takarina
Misy ny ambony ,misy ny ambany , izay no marina fa ny ady tsy vita

Ny ady tsy vita fa mbola hitohy
Ny mety tafita ,raha mamohifohy
Ka raiso ny ampinga, raiso ny hery
Handresy ireo kinga , tsy maneritery
Handrava fanànana, hamokatra fery

Partager somambisamby

Commenter somambisamby

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Mahaleo

Suite